SA Sekoly Alahady Fampianarana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Baiboly, izay ezahana hatao amin’ny teny malagasy, mba ahafantaran’ny tsirairay an’I Jesoa Kristy izay lohan’ny fiangonana, ka hanany finoana sy toe-piainana kristiana.Fanolokoloana sy fanabeazana ara-panahy ny mpikambana, mba hitomboany sy hivelarany amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra.Fanomanana mpampianatraFampianarana sy fitarihana ny ray aman-dreny ho amin’ny fitaizana ny ankizy ara-pilazantsara