SAFIF

« FIOMBONANA MANATANTERAKA ASA MISIONA »

« , Mba handehananareo miendrika ny Tompo hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra, »

[ Kolosiana 1. 10 ]

Ny voalohanteny dia faly miarahaba ao amin’ny Tompo antsika mpianakavin’ny finoana eto amin’ny FATSAN, velona tra-mpamonjena tojo ny Taona 2025 ; ary miarahaba manokana ny Vaomiera ny Tranokala FATSAN  misantatra ny anjara asa fanompoany amin’izao fanombohan’ny taona izao.

« Hoy ny Tompo amintsika : Tamin’ny taona fankasitrahana no nihainoako anao, Ary tamin’ny andro famonjena no namonjeko anao ; indro ankehitriny no andro fankasitrahana ; indro ankehitriny no andro famonjena ; » [ II Korintiana 6. 2 ]                                                                                                                    * * *

Niaina ny fifalian’ny mpino tamin’ny fiombonana nahatanteraka ny anjara asa fanompoana izay nankinina taminy ny Sampana Fifohazana – ny zanaky ny fifohazana – ny sakaizan’ny fifohazana, teto amin’ny Faritany Atsimo Andrefana [ TOULOUSE – BORDEAUX – MONTPELLIER ], tamin’ny Lasy Isan-kerintaona faha-35 ny Sampana Iraisana Fifohazana eto amin’ny FPMA, izay natao tany Giel-les-Courteilles, ny 15 ka hatramin’ny 21 Jolay 2024.

Ny lohahevitra nobanjinina tamin’izany dia, « Ny Fanjakan’i Kristy araka ny Filazantsaran’i Marka ». Raha fehezina tsotra ny fampianarana noraisina dia toy izao manaraka izao :

– Ny mpitarika dia mitarika ny olona @ fivavahana ankasitrahan’Andriamanitra. Amin’ny maha-fanjakam-pisorona azy dia milaza ny fahamarinan’Andriamanitra sy mitondra ny olona hanantona Azy ary mitàna ny teny fikasany.

– Toetra telo maneho ny firaisan’ny fiangonana [Filipiana 2. 1-18] : ¤ Miray fo, miray saina, miray hevitra sy manome voninahitra an’Andriamanitra. ¤ Ny fanetren-tena [Jaona 13 : Jesoa manasa ny tongotry ny mpianatra]. ¤ Ny fiheverana ny hafa (tsy samy maka ho azy).

– « La famille, fondement de la communauté chrétienne » [Exode 20. 8-12]. _ Amour et Respect réciproques entre les parents et leurs enfants._  (Commandement n°4 et 5).

Nandray anjara mavitrika daholo (ny mpilasy sy ny tsy afa-nanatrika) tamin’ny fanomanana rehetra momba ny « Tsiahy sy Fankasitrahana » an’ireo Ray amandreny am-panahy Dadatoa Rajakoba sy Dr Seth Rasolondraibe, noho ny fitaizana sy fampianarana ny Tenin’Andriamanitra nataon’izy ireo tamintsika nandritra ny 35 taona, izay nankinina tamin’ny Teny hoe « Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny Tenin’Andriamanitra taminareo. » [ Hebreo 13. 7 ]. Ary mbola manantitra ny fisaorana feno hatrany ny mpikambana rehetra tamin’ny tolo-tànana sy fanomezana, nandritra izany fotoan-dehibe izany.

⇒ Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no naha-toy izao azy ireo :

* Noraisin-tànana ho mpiandry Bordeaux : Raouline Pagni (Giel, 21.07.24) ;

* Notokanana ho Katekista, tany Paris ny 18.01.25 : Nadia Delmotte (mpiandry Bordeaux) – Jean Yves Rakotomalala (mpiandry Toulouse) – Fanantenana Delmotte (zanaky ny fifohazana Bordeaux).

ASA MAHARITRA :

* Ny fotoam-pifohazana Asa sy Fampaherezana isan-Tafo, isaky ny Alahady faharoa ny volana.

* Ny Fotoam-bavaky ny mpiandry / mpiomana rehetra eto @ FATSAN, isaky ny Alatsinainy fahatelo ny volana.

VINA 2025 :  « FIFAMANGIANA SY FIFAMPAHEREZANA »

_ Zava-dehibe ny fiombonana sy ny fihavaozana hatrany amin’ny fanatanterahana ny asan’ny Tompo _

Isaky ny efa-bolana no hatao ny fifamangiana :

* 2 Febroary : Isan-kerintaona ny SaFif Toulouse.

* 3 – 4 May : Lasy ny SAFIF / AM  FATSAN any Montpellier.

* Bordeaux (faritana manaraka).

* Mifandimby ny SaFif isan-Tafo mamangy ny Tafo Clermont-Ferrand :

⇒ 30 Martsa : Bordeaux.

⇒ Toulouse (faritana manaraka).

⇒ Montpellier (faritana manaraka).

Ho ao amintsika anie ny fifalian’i Jesoa Tompo mba hampaharitra antsika rehetra mpianakavin’ny finoana amin’ny asa fanompoana izay niantsoany antsika avy, ka ho tanteraka ny fifaliantsika. « Jaona 15. 11 »

Ireo tompon’andraikitra rehetra eto @ Sampana Fifohazana FATSAN, Taona 2024 – 2025 :

– Mpitandrina mpandrindra : Elysée Andriamiandra

– Hanitra Andrianarivelo, filoha

– Tinah Rabeharizaka, filoha mpanampy

– Isabelle Rabetrano, mpandraharaha vola

– Nirina Arison Lala, mpitantsoratra

– Rivosoanirina Rakotoniaina, mpanolotsaina

– Voahangy Razanapanala, mpanolotsaina

– Richard Rabary, filoha SaFif Toulouse

– Ninà Randrianarivelo, filoha SaFif Bordeaux

– Juliana Rabeharizaka, filoha SaFif Montpellier

An’Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra !

SVK

AMF

SaFif

STK

SLK

SZM