SZM
«Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an'i Jehovah. Haleloia.» Salamo 150:6
Rehefa nahazo ny fankatoavana avy tamin’ny Synoda FATSAN ny 04 Febroary 2023 dia natsangana tamin’ny fomba ofisialy ny Sampana Zava-Maneno FATSAN.
Noho izany dia napetraka nandritra ny lasy voalohany, niaraha-nikarakara tamin’ny SA/STA sy ny STK, ny 02 sy 03 Martsa ny birao mitarika ny Sampana mandritra ny taona 2024-2026.
Maro ny tanjona napetraka ka anisan’izany :
Ny iarahan’ny mpitendry rehetra eto amin’ny faritany mitombo ara-panahy;
Ny ifankafantarana sy hifaneraseran’ny tompon’andraikitra sy ny mpitendry zava-maneno rehetra eto amin’ny faritany;
Ny ametrahana sehatra ahafahana mifampizara traik’efa sy mifanampy ara-pitantànana, ara-teknika, … ka anamoràn’ny tafo tsy manana sampana mametraka
izany amin’ny fotoany ary ireo efa manana manatsara sy mitombo amin’ny alalan’ny fifampizaràna
Ny ahafahan’ny sampana mivelatra sy mandray anjara amin’ny hetsika eto anivon’ny faritany ary miara-mitombo amin’ny sampana hafa
Ny Tafo manana SZM eto amin’ny FATSAN dia ny Tafo : Clermont-Ferrand, La Réunion, Toulouse, Bordeaux (02/02/2025)
Ny Tafo tsy mbola manana SZM aloha hatreto dia ny Tafo Montpellier
Ny Mpitandrina mpiahy ny sampana dia ny Mpitandrina Charles RAKOTONDRAMANANA
Filoha : RASOAMANANA Herimanoa
Mpitan-tsoratra : RAKOTOARIDINA Kevin
Mpitahiry vola : RAJOELISOA Ammiel
Mpitan-tsoratra ny vola : RAKOTOVAZAHA Finoana
Raha te hifandray aminay :
Mail : szm.fpmafatsan@gmail.com
Instagram: szmfatsan
