TENY FANOLORANA
« Maharitra amin’ny fanahy iray…ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara. » Filipiana 1.27c
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jeso Kristy Tompo.
Fifaliana ho anay ny miarahaba anao, tonga soa eto amin’ny tambazotra seraseran’ny FPMA FATSAN na Faritany ATSimo ANdrefana.
Ny FATSAN dia faritany iray amin’ny faritany enina eto amin’ny FPMA, ary misy :
– Mpitandrina Mpandrindra E. Charles RAKOTONDRAMANANA
– tafo na fitandremana dimy : Bordeaux, Clermont
Ferrand, La Reunion, Montpellier ary Toulouse.
– FMM na ny fiaraha-miasan’ny mpitandrina rehetra eto amin’ny FATSAN izay mitaiza ny vahoakan’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fitrotroana am-bavaka, ny fiofanana sy ny fampianarana isan-karazany.
– sampana iraisana fito : Sekoly alahady (SA), tanora Kristiana (STK) , Antoko Mpihira (AM), fifohazana (SAFIFO), zava-maneno (SZM), vehivavy kristiana (SVK) ary ny lehilahy kristiana (SLK).
– sampandraharaha sy vaomiera : V3M na ny vaomiera mpitrandraka ny mpitandrina matihanina, ny KNPL na ny komity nasionaly projet laika, ary ny Vatsy.
Ny fandinihana ny raharaha dia mandalo ambaratonga telo :
Ny birao, ny komity ary ny synoda FATSAN.*
« Mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka ny mahairay Antsika. » Jaona 17.11e
Na samihafa sy maro aza ny momba ny tena, araka ireo rehetra voalaza eo ambony ireo, sy ny fanomezam-pahasoavana ananan’ny tsirairay, izay samy manana ny mahaizy azy, dia tena iray ihany ao amin’i Jeso Kristy ; faritany miray amin’Andriamanitra telo izay iray. Faritany miara-dia sy mifampitsinjo ;
.ary miezaka hatrany eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina mifampidinika sy mitady izay hampandroso ny fifankatiavana sy ny asa tsara eto amin’ny faritany sy ny nasionaly, ary mametraka an’Andriamanitra Ray sy Jeso Kristy Zanaka ary ny Fanahy Masina ho lohalaharana sy ivon’ny zavatra rehetra.
Farany nefa tsy ny kely indrindra dia faly izahay ary misaotra an’Andriamanitra noho ny fahasoavany ; miitatra ny fanjakany, fa lasa misy vondrom-bavaka ao Pau izay ankinin’i Tompo amin’ny FATSAN ny fiahiana azy ireo, ka mba ahatonga azy ho fiaraha-mivavaka ary tafo FPMA any aoriana raha sitrapon’i Tompo.
Andriamanitra Ray sy Jeso Kristy lohan’ny fiangonana anie hitahiry anao mitsidika ity tambazotra ity koa, ka hampitombo anao amin’ny finoana sy amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra Ray sy Jeso Kristy Tompo.
Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amen
Nadia DELMOTTE
Filoha FATSAN
FIARAHABANA SY HAFATRA PENTEKOSTA 2026
“Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra” (Asa 2.4 a)
Ho ampitomboina amintsika anie ry havana ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
“Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra”. Izany tenin’Andriamanitra izany no iarahabana ny kristiana rehetra ato amin’ny Faritany Atsimo Andrefana (FATSAN) mahatratra izao vaninandro lehibe izao dia ny andro Pentekosta izay ahatsiarovantsika ny nilatsahan’ny Fanahy Masina.
Raha ny tenin’Andriamanitra iarahabana antsika no jerena dia tanteraka tokoa izay nolazain’ny mpaminany Joela 3.1 hoe handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho. Anehoana izany fa Andriamanitra tsy miova Izy ka azo itokiana.
Fa ny vokatrin’ny nilatsahan’ny Fanahy Masina eto dia samy naheno ny Filazantsara ny olona araka ny fiteniny avy. Izany hoe tonga iray ny olona naheno ny famonjena vitan’i Jesosy.
. Ary izay koa hafatra ho antsika amin’izao Pentekosta 2026 izao. Araka ny fanekempinoantsika, ny Fanahy Masina no mampiombona antsika ka mahatonga antsika ho iray hitory ny famonjena vitan’i Jesosy Tompontsika. Aoka isika ho mpampihavana sy mpampiombona fa izany no maha zanak’Andriamanitra antsika ka hanaiky hotarihin’ny Fanahy Masina.
Ho amintsika anie ny fiadanana sy ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika.
Amin’ny anaran’ny Birao sy ny Komitin’ny FATSAN
Ny mpitandrina mpandrindra ny FATSAN Pst Nalason RAOELIMANANA Ny Filohan’ny FATSAN Nadia DELMOTTE
ZAIKABE GRAND SUD 28-29 MARS 2026
LAMINA (ORGANIGRAMME)
Le bureau
Mpitandrina / Pasteur
Charles
Rakotondramanana
ech.rakoto@gmail.com
Filoha / Présidente
Nadia
Delmotte
patoujoujou@gmail.com
Mpitambola / Trésorier
Hanitra
Ratovondrahona
hanitra.ratovondrahona@gmail.com
Mpitantsoratra / Eécrétaire
Miadana
Allard
miadana.allard@gmail.com
Mpanamarimbola
Ony
Ramamonjisoa
onyramamonjisoa83@gmail.com
Gestionnaire Financier
Mamy-Luc
Razafitsalama
mamyluc@gmail.com
Mpanolo-tsaina / Conseiller
Joëlle
Raharinosy
lalaraha19@gmail.com
